Mitohy hatrany ny fandaminana ataon’ny kaominina Antananarivo.
Ny fivarotana fiara indray no nafindra. Notontosaina omaly talata 27 jona nanomboka tamin’ny 5 ora sy sasany maraina ny famindrana ireo fiara amidy tetsy Analakely sy ny eo amin’ny Esplanade. Efa nisy fivoriana telo miantoana niarahana tamin’ireo solontenan’ny mpivarotra sy ny tompon’andraikitry ny CUA ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana. Ny zoma 24 jona teo no nanao ny fandaminana farany ny fandrindrana ny eny Antanimbarinandriana izy ireo izay toerana malalaka nomen’ny kaominina. Nilamina ny fandaminana sy ny famindrana azy ireo omaly. Fiara 122 no efa nifindra tamin’ny 9 ora maraina. Fiara 215 no antonona etsy Antanimbarinandriana. Efa nomena toerana etsy amin’ny “square point carré manoloana ny zaridaina ampitan’ny Kianjan’i Mahamasina kosa ireo mpanatitra sy mpaka mpianatra ao amin’ny sekoly St Michel. Marihina fa mahafeno fiara 80 eo ny parking natokana ho azy ireo. Natao izao fandaminana izao mba hialana amin’ny fitohanan’ny fiara sy ny fibahanana eny amin’ny arabe. Nankasitraka ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa ireo solontenan’ny mpivarotra fiara amin’ny fanomezana toerana malalaka sy amoron-dalana izay tena mety tsara amin’izy ireo ary mbola manentana ireo namany koa hifindra eny an-toerana, hoy Ravelomanana Cyrille (mpivarotra fiara). Manentana hatrany ireo mpivarotra fiara mba hifindra etsy Antanimbarinandriana na amin’ny toerana hafa kosa ny talen’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana eo anivon’ny kaominina Raveloarison Landy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.