Efa nisy 2 herinandro izay no namindrana ireo mpivarotra fiara teny Antanimbarinandriana.
Omaly talata 11 jolay 2017 dia tonga nitsirika ireo mpivarotra fiara mbola minia tsy manaraka ny fandaminana teny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Raha araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ny « Parking » avy ao amin’ny « Direction des Transports et de la Mobilité Urbaine na ny DTMU » dia tsy natao toerana fivarotana fiara eny Analakely sy ny manodidina fa efa misy ny toerana voatokana eny Antanimbarinandriana ary efa samy mahafantatra avokoa ny rehetra. Ho an’ireo izay tsy manara-dalàna kosa dia nopetahana « taquet d’arrêt » ary nisy ihany koa ny nampidirina « fourrière ». Raha araka ny antontan’isa azo avy amin’ny polisy monisipaly dia nisy 7 ireo voapetaka « taquet d’arrêt » ary 3 ireo naiditra « fourrière ». Mahatratra 200 ireo mpivarotra fiara eny Antanimbarinandriana ary mbola malalaka ny toerana, hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Mbola hitohy amin’ny faritra hafa ny hetsika ary ho hentitra ny tanànan’Antananarivo ho an’ireo tsy manara-dalàna.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.