Actualités

Mpivarotra etsy Andravoahangy Nifanaiky fa hanadio tsena isan’andro


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Nanao fanadioavana faobe ireo mpivarotra braokatera rehetra sy ny mpivarotra legioma tetsy Ambodivona, mitsofoka eo amin’ny Total omaly tolakandro. Ny lehiben’ny tsenan’ Andravoahangy,

Eric Augustin Rakotondrafara, no nitarika taorian’ny fampandrenesana efa nataon’ny CUA sy ity farany nialoha. Avy hatrany dia nanadio ny tsena izay tandrify azy avy ireo mpivarotra , namafa sy nandraoka ny fako, teo koa ny fanadiovana ny lakandrano izay  tsentsina. Hisy ny vahaolana maharitra  hapetraka amin’ny  fanadiovana eny an-toerana manomboka izao, araka ny fanambaran’ny Lehiben’ny Tsena. Niara nivory avy eo ny mponina teny an-toerana sy  ny solonten’ ny mpivarotra  amin’ny faneken’izy ireo ny hanadio ny tanàna sy fanatsarana ny lakandrano izay asiana sarony rarivato. Raha  ny fanadiovana dia hisy latsa-keboka 100 ariary  isan’andro , ho an’ny   lakandrano kosa dia atao indroa isan-kerinandro. Ny fanamborana ny lankandrano asiana rarivato koa dia neken’izy ireo ka hisy ny tsipaipaika eo amin’ny roa tonta.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT