Nifindra omaly teny amin’ny toby fiantsonana vaovao eny Andohatapenaka, ireo mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena voalohany raha hanaraka miandalana kosa ireo mihazo ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina.
Raha ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia afak’omaly talata hariva no efa niroso tamin’ny famindrana azy ireo ny tompon’andraikitra eo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny minisiteran’ny fitaterana ary ny mpitandro ny filaminana. Mbola nitohy hatramin’ny omaly, nanomboka tamin’ny 3 ora maraina ny hetsika, izay nambaran’ireo mpitatitra fa tena tery vay manta fotsiny.
Nisy tamin’izy ireo mantsy no mbola tokony ho nampandre ireo mpanjifany na hiandry mpaka entana saingy tsy afa-nijanona maharitra teny amin’ny Fasan’ny Karàna intsony. Maro tamin’ireo mpivarotra mandehandeha no nikasa hanaraka azy ireo saingy voasakana tanteraka. Misy lalàna mifehy mantsy ny toby fiantsonana eny Andohatapenaka, ka tsy hisy mpivarotra marobe toy ny tetsy amin’ny Fasan’ny Karana intsony sady tsy ilana mpanera ihany koa. Toraka izany koa ny kaoperativa tsirairay avy, izay tsy ilana afa-tsy olona miisa dimy hamatotra entana sy hikarakara ireo mpandeha sisa, hoy ny kolonely Andry Rakotondrazaka, tale jeneralin’ny ATT. Tsy hanaiky mora foana anefa ireo mpivarotra etsy amin’ny Fasan’ny Karàna, araka ny fanazavan’izy ireo. Tsy maintsy hanaraka eny Andohatapenaka izy ireo, raha ny filazany, satria toerana namelona olona an’arivony Fasan’ny Karana hatramin’izay. Santionany amin’izany ity raim-pianakaviana sendra ny gazety Tia Tanindrazana ity.
Atoa Dina, raim-pianakaviana, mivelona eny amin’ny Fasan’ny Karana : Izahay anie tsy manda ny hiala ety amin’ny Fasan’ny Karana e ! Tsy tokony ho fanentanana kosa ny olona hiasa eny Andohatapenaka sy hivarotra eny mba tsy hahavery ny asa fiveloman’ny hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.