Mpivarotra efa ho 320 mahery avy etsy Andrefan’i Manajara, ao anatin’ny Boriborintany faha-4, monina sy manao asa fivarotana eny an-toerana no tonga nidinidinika sy nitafatafa ary niarahaba nahatratra ny taona 2018 ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly talata 16 jolay tolakandro.
Tapaka tamin’izany fa hajoro ny kaomisionina ahitana ny solontenan’ny mpivarotra isaky ny sokajin’entana arakaraka ny entana varotan’ny mpivarotra tsirairay, hiara-kidinika amin’ny teknisianin’ny kaominina mba hampirindra tsara ny toeram-pivarotana taorian’ny fanadiovana ny lakandrano, nanomboka teny Madera Namontana ka hatrany Anosibe sy ny manodidina. Zava-baovao nentin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ihany koa ny fananganana « Pavillon » vaovao hivarotan’ireo mpivarotra rehetra tsy an-kanavaka efa mpivarotra teo. Ny soa iombonan’ny Malagasy no tanjona ary manantena ny hisian’ny fiovana ny mponina satria tsy mendrika ny Malagasy izao toerana misy azy izao. Tsy mitsahatra mijery izay mahasoa ny vahoaka ny Ben’ny tanàna satria sarobidy aminy ny mponin’Antananarivo Renivohitra. Ambentin-teniny ny filazana fa ilaina taizana ara-panahy aloha ny vahoaka, izay vao ny fitaizana arak’olona ka amin’izao fotoana izao dia efa tafatsangana manerana ny Boriboritany 6 ny fitaizana ara-panahy mba hahaolom-banona ny mponina. Mivoha midanadana ny varavaran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy izy ka aoka tsy handairan’ny tsaho sy ny fampitahorana ny mponina fa raha misy tsy azoazo dia ny fifampiresahana sy mangataka fanazavana ihany no vahaolana. Tsy maintsy tohizana ny fidinana ifotony hanakaikezana ny mponina, ahitana ihany koa izay tena manjo ireo vahoaka ireo, ny zavatra ilainy sy izay miantraika amin’ny fiainany. Samy nilaza ny hetahetany ireo mpivarotra ary samy nahazo valiny nahafa-po, ka dia nanolotra fanomezana ihany koa ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, ho an’ireo mpivarotra tonga teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.