Actualités

Mpivarotra ao Bazaribe Hafindra eny amin’ny «Place de la Colonne» ?


  • Alarobia 01 Septambra 2010

Taorian’ny famaizan’ny Bazaribe herinandro lasa izay, ka nahamay ny tsenakelin’ireo mpivarotra niisa 71, dia fantatra izao fa misy ny fivoriana matetika niarahan’ny mpivarotra may tsena sy ireo fikambanan’ny mpivarotra ary ny filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina, mikasika ny tsy maintsy hanalana ireo mpivarotra rehetra ao anatin’ny trano mitafo sy ireo mpivarotra ivelany ihany koa.

Milaza ny hanamboatra ny tsena amin’ny vola tsy mbola eo am-pelatanana mantsy ny PDS, ka ny mahamaika azy aloha dia ny fanalana ireo mpivarotra ao Bazaribe.

Araka ny teny sy ny fanapahan-kevitry ny Kaominina dia hafindra ao amin’ny «Place de la colonne» Ampasimazava ireo mpivarotra 2.000 mahery ao Bazaribe ireo. Eo anefa no mipetraka ny olana satria, tsy manaiky ny hifindra ireo mpivarotra, noho ilay toerana tena fiangonan’ny rano no maloto ary koa be trano manodidina. Manampy trotraka izany, dia toerana manan-tantara ho an’ny tanànan’i Toamasina ny “Place de la Colonne” ary fitondran’ireo mpandraharahan’ny fizahantany ireo vahiny tonga te hahalala ny tantara sy ny rakitry ny ela.
 
Magro Tanambao V ?
Mihenjana ny tady, efa ny alakamisy 26 aogositra ary nihemotra ny sabotsy 28 aogositra, ny fe-potoana tokony hialan’ireo mpivarotra ao Bazaribe ireo. Ny sabotsy teo anefa dia vao mainka nanamafy ny tsy hialany amin’ny fanamboarana tranoheva kely ao anaty tsena ireo mpivarotra, indrindra ireo mpivarokena sy mpanao tsena kely. Fa ankoatra ny ao amin’ny «Place de la Colonne» kasaina hamindrana ireo mpivarotra ireo, dia efa manana vinavina hametraka ireo mpivarotra ao amin’ny tokotanin’ny Magro Tanambao V koa ny Kaominina. Nambara tamin’izay fa tany mipetra-potsiny tsy ampiasain’ny tompony ilay tany, ka ho fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka (?) dia ampiasain’ny Kaominina aloha. Ho hita eo kosa ny fandehany eto satria tanin’olon-tsotra ny ao Tanambao V io.
 
Hatramin’izao dia mifampiandry kendry tohana ny mpivarotra sy ny Kaominina momba izao famindrana mpivarotra izao. Ny andaniny milaza fa «tsy misy mpanjifa ny tsena izao ka raha hihetsiketsika eo dia vao mainka ho very mpanjifa eo indray, eo koa ny fampiasam-bola natao izay tsy maintsy haverina nefa ny tsena ao Bazaribe aza tsy mandeha, ka vao mainka eny Ampasimazava ao anaty ranom-potaka sy loto». Ny ankilany kosa milaza fa «fandaminana tsy maintsy atao izao mba hahazoana manamboatra ny tsena na tsy misy vola enti-manana amin’izany aza. Eo koa ny fiarovana ny ain’ireo mpivarotra ao Bazaribe ity». Tantara mbola hitohy izany izy ity.
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT