Velon-taraina amin’ny afitsoky ny Ben’ny tanàna any Andohan’Ilakaka ny mponina, indrindra fa ny mpivarotra amin’izao fotoana izao.
Noterena nafindra amina toerana antsoina hoe Mangarahara ny tsena mahazatra ny mponina, kanefa ny fandaminana tsy matotra sy kitoatoa, fa kopisoroka sy jadona tsotr’izao no hataon’ity ben’ny tanàna, izay lany tamin’ny anaran’ny antoko HVM ity. Tsy misy tombony ho an’ny mpivarotra mihitsy ny namindrana toerana azy ireo an-terisisetra, ka mitaky ny hamerenana azy ireo amin’ny toerana efa nahazatra azy ireo hatramin’izay izy ireo. Efa nijery ifotony ny zava-nisy ny manam-pahefana toy ny prefe sy Lehiben’ny Faritra, saingy mbola be vava hatrany ity ben’ny tanàna ity, ka na ireo mpanolontsaina kaominaly aza toa manaraka ny hadalany, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Mizahozaho sy manao didin’ny be sandry io ben’ny tanàna io amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra bontolo tsy mifanaraka amin’ny tombotsoan’ny besinimaro, ka na ny minisitra avy any amin’iny faritra iny aza, dia toa hoe tsy atahorany, ka manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ambony, toy ny praiminisitra ny mponina mba hijery akaiky ny zava-misy. Isan’ny anton’ny lehibe nanesorana ny tsena tamin’ny toerana hatramin’izay ny fiarovana ny tombotsoan’ny mpandraharaha goavana manana tranom-barotra lehibe satria manery ny làlana hidiran’ny fiaran’izy ireo ny fisian’ny mpivarotra. Raha ny fanamarihan’ny mpivarotra dia mety ho nanome volabe an’io ben’ny tanàna io ilay tompona tranom-barotra lehibe. Velom-panontaniana ny maro hoe tombotsoan’olon-tokana ve no hamotehana ny fiveloman’ny besinimaro? Miandry izay fanapahan-kevitry ny mpitondra ambony ny olona, izay efa vonona hihetsika sy hanohitra ny didy jadona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.