Mitohy sy mihamafy hatrany ny asa fanadiovana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna.
Taorian’ny fety dia tsy milefitra amin’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna izay manelingelina ny fifamoivoizana sy ny fifamezivezen’ny mponina ny kaominina fa tonga dia niroso avy hatrany amin’ny fanalana azy ireo. Omaly dia ny teny Ambohijatovo, Andohanan’Analakely, manoloana ny Pavillon sy ny manodidina rehetra no nanaovana fanadiovana izay niarahan’ireo ekipan’ny boriborintany voalohany sy ny polisy monisipaly. Raran’ny lalàna tanteraka ny fitrandrahana ny lalam-bahoaka amin’ny endriny rehetra satria dia miteraka fanelingelenana ny tombontsoan’ny vahoaka izany, hoy ny CUA. Fampitandremana sy fampatsiahivana no tena nataon’ireo polisy monisipaly sy ireo ekipan’ny boriborintany Voalohany tamin’ity indray mitoraka ity fa rehefa mitohy ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fihoaram-pefy dia hiafara amin’ny fandraofana entana izany. Ankoatra ny fanalana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna dia efa nampiantso ireo « bouffe mobile » sy ireo fiara mpivarotra « confection » ihany koa ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny boriboritany voalohany
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.