Actualités

Mpivarotra amoron-dalana etsy Anosy Miha mitombo isa


  • Sabotsy 17 Martsa 2018

Tsy mitsahatra ny manala ireo mpivarotra amoron-dalana manoloana ny radio nasionaly Malagasy etsy Anosy sy amin’ny sisin-dalana manakaiky ny Hotely kintana 5 Carlton amin’izao fotoana izao ny Boriborintany I.

Ny mahavariana anefa, hoy ny delegen’ity Boriborintany iray ity dia miverina foana izy ireo isan’andro ary vao mainka mitombo isa aza, indrindra aorian’ny fandalovan’ilay kamiao mangabe. Izahay anefa tsy manana afa-tsy olona miisa 44 mijery sy manara-maso ireo toerana be mpivarotra tsy ara-dalana tahaka ireny anatina velarana 9 km2 eto Antananarivo renivohitra. Anisan’ireny ny eny amin’ny petite Vitesse, Analakely…Tokony hanampy anay hoy hatrany ity delege ity ireo mpitandro ny filaminana eny amin’iny faritra manodidina an’Anosy iny hahafahana manala ireo mpivarotra ireo. Toraka izany koa hoy izy ireo tompona birao eny Anosy sy ny manodidina  mba hahafahana miaro ny faritra misy azy. Tsiahivina moa fa ankoatra ny loto entin’ireto mpivarotra amoron-dalana etsy Anosy ireto dia betsaka amin’ireo olona sahirana eto an-drenivohitra ihany koa  no matory eny an-toerana amin’ny alina no sady manao maloto tsy lavitra eo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT