Actualités

Mpivarotra amoron-dalana eny Behoririka Hafindra eo amin’ny « éponge »


  • Alakamisy 02 Febroary 2017

Nidina namaha ny olan’ireo mpivarotra amoron-dalana tetsy Behoririka omaly ny teknisianin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra notarihin’ny Sekretera jeneraly Razafimahefa Heriniaina sy ny delegen’ny Boriborintany fahatelo.

  Raikitra fa hafindra etsy anelakela-trano misy ireo   mpivarotra kidoro « éponge » akaikin’ny EPP ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo manoloana ny EPP Behorirrka. Miisa 182 ireo mpivarotra amoron-dalana omena toerana amin’izany. Eo am-pitan’ny Luxor kosa no hametrahana ireo mpivarotra sakaosy saingy mbola hamboarina sy hodiovin’ny kaominina. Tsy maintsy manana latabatra 1m amin’ny 1m avy ny mpivarotra tsirairay, araka ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny  kaominina. Anio alakamisy  ihany moa  dia efa hiroso amin’ny famindrana ireo  mpivarotra ireo ny tompon’andraikitra raha efa natao tamin’ny alina ny famaritana ny toerana. Hafindra eo  am-pitan’ny Toyota Rasseta ireo mpivarotra kidoro éponge, tany nomen’ny kaominina. Ho an’ireo  mpivarotra fanaka eo ambany tetezan’i Behoririka dia isaky ny alarobia ihany izy ireo no afaka mivarotra eo fa afaka manaraka ireo tsena rehetra misy eto an-drenivohitra. Halana eo amin’ny toerany ihany koa ny toby fiantsonana mihazo an’Ambohimangakely saingy mbola hifampiresaka ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny lehiben’ny kaoperativa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT