Actualités

Mpivarotra amoron-dalana eny Andravoahangy Nentanina hiditra ao anaty tsena


  • Zoma 09 Febroary 2018

Nidina ifotony tetsy amin’ny Tsenan’Andravoahangy ny delegen’ny Boriborintany fahatelo Andriamamonjisoa Rado sy ireo ekipany ary ny lehiben’ny tsena omaly 08 febroary 2018 maraina nanentana ireo mpivarotra amoron-dalana hiditra amin’ny ara-dalana ao anatin’ny tsena, satria efa misy toerana malalaka voatokana ho azy ireo ao.

 Miisa 200 latsaka ny toerana mbola malalaka eny amin’ny « étale » izay ho an’ny mpivarotra legioma. Namboarina ihany koa ny « pavé » na lalana miditra mankao an-tsena, ka tsy tokony hisy olana intsony. Efa nisy ny naoty izay nomena azy ireo, ny tokony hialany eny amoron-dalana fa tsy maintsy miditra ao anatin’ny tsena avokoa efa ho 2 herinandro izay, hoy ny lehiben’ny tsena. Hitohy anio ny fandaminana ary hihatra amin’izay ny sazy ho an’izay mbola minia mivarotra eny amoron-dalana. Marihana ihany koa, hoy ny lehiben’ny tsena, fa ny mpivarotra tantsaha dia mivarotra manomboka amin’ny 3ora maraina ka hatramin’ny 8 ora maraina ihany.

Toky R


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT