Taorian’ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana etsy Andrefan’Ambohijanahary sy Mahamasina, dia hitohy eny Analakely indray ny hetsiky ny kaominina manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao. Hitohy eny Andravoahangy izany ny Talata ary hifarana eny amin’ny 67 ha. Tanjona, araka ny fanazavan-dRasolonirina Benja, lehiben’ny
sampandraharaha miadidy ny asa fanadiovana sy fandaminana eo anivon’ny kaominina, ny ahafahana mampiditra ireo mpivarotra tsy ara-dalàna amin’ireo tsena mbola malalaka. Anisan’ireny ny etsy Antaniavo, izay mbola mahazaka mpivarotra manodidina ny 2.000 isa ary ahafahana mivarotra ny karazan’entana rehetra. Na izany aza anefa, dia betsaka amin’ireo mpivarotra no tsy faly amin’ity fanapahan-kevitry ny kaominina ity. Ny eny amoron-dalana ihany mantsy, araka ny nambaran’izy ireo no mety aminy, noho ny tsy fisian’ny mpividy. Anisan’ny efa nandà mafy izany ireo mpivarotra etsy Mahamasina amin’ny andavanandro, izay mbola tazana teny ihany hatramin’ny omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.