Actualités

Mpivarotra amin’ny tetezan’Ampasika Avy any amin’ny kaominina namana hafa ny 80 %


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Valalanina tanteraka Rakotomandimby Jean, Ben’ny tanànan’i Bemasoandro Itaosy amin’izao manoloana ireo ny hamaroan’ireo mpivarotra etsy amin’ny tetezan’Ampasika.

Ny 20 % amin’izy ireo monja mantsy raha araka ny fanazavany no zanak’i Bemasoandro fa ny ankoatra izay dia avy any amin’ny kaominina Anosizato, Ambohitrimanjaka, fokontany 67 ha….. avokoa, tonga mandranto tsena eny ambonin’io tetezana io. Efa niezaka izahay namindra azy ireo tamina toerana ao ambany tetezana saingy tsy misy mety mipetraka ao izy ireo fa midongy tsena vita carreaux ny latabatra, voarary simenitra ny fanambaniny ary mila tafo arifomba. Tsy manana fahafahana hanao izany anefa ny kaominina, hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity raha ny tetibola no resahina. Mbola olana hafa ihany koa, hoy hatrany Rakotomandimby Jean ny tsy fananany polisy kaominaly hanampy azy hanala ireo mpivarotra ireo raha tsy afaka mibaiko ny polisy sy ny zandary tsotra izy ireo. Vahaolana hitan’ity Ben’ny tanàna ity, araka izany, ny fanatonana mivantana ireo kaominina namana hafa manana mpivarotra mivarotra eo ambonin’ny tetezan’Ampasika hahafahana manala azy ireo. Tsiahivina fa olona iray handeha hanakalo vola no voadonan’ny fiara teo amin’io tetezan’Ampasika io ny herinandro teo saingy tsy naninona. Ahiahian’ny rehetra ny mbola mety hisian’ny faty mikararana eo amin’ny tetezan’Ampasika vao mety handray ny andraikiny ny tompon’andraikitra.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT