Tena maniry fiaraha-miasa mavitrika amin’ny tompon’andraikitry ny tsena eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpivarotra isaky ny alakamisy etsy Mahamasina, araka ny nambaran’ny filohan’ny FI.DM.TAM na ny
Fikambanana Ifoton’ny Delege sy ny Mpiavarotra Tsenan’Alakamisy etsy Mahamasina, Rtoa Rakotoarisoa Hanitriniaina Z. Mamelona olona an’arivony ity fivarotana andro alakamisy ity izay azo lazaina fa solon’ny tsenan’ Anjoma fahiny tetsy Analakely. Omaly alahady tontolo andro izy ireo dia niala tamin’ny fitadiavana andavanandro ka niara-nila vonkony teny amin’ny toeram-pitsangantsanganana sy filanonan’ny fianakaviana teny Ambohimanambola Avaradrano (Batou Beach). Sambany teo amin’ny tantaran’ny fivarotana teto an-drenivohitra no mba nisy fiarahan’ny mpivarotra tsotra niara-nialavoly tahaka izao. Tao ny nanatanteraka lalao isan-karazany toy karatra, daomy, tsipy kanetibe, basikety … Tao ny nanararaotra nilomano noho ny hafanan’ny andro ary nisy koa ny fiarahana nanao Zumba niaraka tamin’ny Me matihanina. Ny fiaraha-misakafo moa no tena fototry ny fitsangatsanganana. Tsotra ny anton’ny hetsika, hoy Rtoa Hanitra-Nini, dia ny mba hisian’ny firaisankina eo amin’ny rehetra (delegen’ny tsena mijoro ara-dalàna ara-panjakana, mpivarotra niaraka tamin’ireo mpanjifa). Nahatratra an’arivony ny namaly ny antso tamin’ity hetsika ity izay nasiana vidim-pidirana. Hirarianay ny mba hanahafan’ireo mpivarotra sy delegen’ny tsena any amin’ny toeran-kafa izao hetsika nataonay izao, hoy Rtoa filohan’ny FI.DM.TAM.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.