Miisa 170.000 ankehitriny ny isan’ireo mpivaro-tena eto amintsika, raha araka ny fanisana nataon’ny komity nasionaly miady amin’ny aretina SIDA na ny CNLS manerana ireo tanàn-dehibe miisa 37.
Misy amin’izy ireo no tsy ampy taona raha misy koa ireo efa zokinjokiny niteraka hatramin’ny telo aman’efatra ary efa nivaro-tena nandritra ny 20 taona. Noho ny tsy fahampiana ao an-tokantrano sy ny tsy fananan’asa amin’ny ankapobeny no nanosika azy ireo hiroso amin’io asa fivarotan-tena io izay tsiahivina fa anisan’ny asa tranainy indrindra eto amintsika. Mitana ny laharana fahatelo amin’ny fiparitahan’ny aretina SIDA anefa ny firaisana ara-nofo hiarahana amin’ireny mpivaro-tena ireny raha ny fiarahan’ny lahy samy lahy no faharoa. Mba hahafahana miady amin’ity areti-mandoza iray ity ary dia mpivaro-tena 150 nahafeno ny fepetra tamin’ireo 400 nametraka ny antontan-taratasiny no nahazo tohana ara-bola avy amin’ny komity nasionaly miady amin’ny aretina SIDA hanaovan’izy ireo asa tena. 4 hetsy Ar avy no lela-vola natolotra azy ireo tamin’izany taorian’ny fiofanana nomena azy momba ny fitantanana. Tanjona ny hialan’ireto vehivavy ireto amin’ity asa fivarotan-tena ity hahafahana miady amin’ny aretina SIDA. Mbola hitohy any amin’ny faritra hafa ny hetsika. Tsiahivina moa fa anisan’ny laharana fahatelo amin’ny olona marefo amin’ny fitondrana ny aretina VIH / SIDA ny mpivaro-tena satria dia mahatratra 5,5 % ny tahan’ny aretina amin’izany raha 17,8 % kosa izany taha izany amin’ny fiarahan’ny lahy samy lahy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.