Resaka teknikam-barotra amin’ny ankapobeny no sosonkevitra azo rehefa miresadresaka amin’ireo mpivaro-gazety eto Andrenivohitra ny tena.
Raha jerena amin’izao endrika ivelany izao, hoy ny mpivarotra iray etsy Ambohijatovo dia azo ambara fa afaka milahatra sy mifaninana tsara amin’ny ireto gazety manodidina ny 20 mpiseho isan’andro ireto ny Tia Tanindrazana na dia anisan’ireo somary kelikely velarana ihany aza. Hita ho kelikely koa ny soratra nefa toa azo ampitomboina ihany. Afaka mifaninana tsara amin’ireo hafa koa ka mahalafo ny gazety ny lohateny avoakanareo. Misy mijery lohateny vao mividy gazety eto matetika. Misy kisarisary itatra taloha mampiavaka anareo amin’ny hafa koa.
Ny lesoka ety ivelany indraindray dia somary motraka ny taratasy ka rava raha vao raisin’ny Tanana. Izahay aloha mivarotra lehibebe dia manana anjara misimisy ihany fa ireo mpandehandeha no mitaraina maka fanampiny Tia Tanindrazana foana eto aminay eto. Ry zareo matetika dia tsy mahandry any am-potony fa taratara lava ny fahatongavan’ny Tia Tanindrazana amin’ny ankapobeny. Rehefa sendra mamoaka irery gazety andro fety ireny moa ianareo dia mitaraina hatrany ny mpanjifa fa tsy mahazo ny anjarany mihitsy satria izahay tsy afaka hivarotra gazety tokana na roa fotsiny fa be masonkarena izany (ny frais efa lafo). Hafatra fohy ho anareo dia hoe mba tsinjarao tsara le gazety fa efa folakay ny olona. Mirary soa ho an’ny Tia Tanindrazana, dia tsy ho faty intsony anie ity gazety ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.