Actualités

Mpivady teratany vahiny voaendaka Lasa ny vola 600 Euros niampy fakantsary finday avolenta


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Maro ihany izay jiolahy lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ao Toliara ao, kanefa vao maika mirongatra ny asa ratsy. Ny alatsinainy hariva teo, tany Toliara, mpivady teratany vahiny efa nahazoazo taona nitsangatsangana teny amoron-dranomasina no lasibatry ny sinto-mahery.

 

 Lasan’ny mpanendaka tamin’izany ny sakaosy iray nobabena nisy vola manodidina ny 600 Euros, fakan-tsary nomerika iray sy finday avolenta roa. Rehefa nahazo ny rembiny ireo olon-dratsy dia nitsoaka. Sanganehana ny niharam-boina ary niantso vonjy, nefa tsy fantatr’ireo mpitsangantsangana sy mpifankatia nampiaraka tsy lavitra teo ny tenin’ireto vahiny. Izy mivady nanondro tovolahy telo nitsoaka niaraka tamin’ny «sac à dos» no nahafantarana fa voaendaka ireto vazaha. Raha ny fanazavana ramatoa iray mpaka drakaka, dia avy nifoka rongony tamina ala honko tsy lavitra teo ireto andian-jatovo ireto.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT