Mpitsoka mozika mitety tanŕna
Mahazo 10.000 Ar isan’andro ny olona iray
sssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssssss
Anisan’ny asa iray mamelona fianakaviana maro amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao ny fitsofana mozika. Mbola betsaka mantsy ireo tokantrano Malagasy miantso azy ireny mba hanao hira entina hamalifaliana ny manodidina sy ny ankohonany rehefa asaramanitra tahaka izao ankoatra ireo mahita eny an-dalana dia mitondra mankany an-tokantranony. Raha araka ny fanazavan-dRakotoarivelo Andry anisan’ireo rain-dahiny amin’ny fitsofana mozika mitety tanàna eto an-drenivohitra amin’izao dia mahavita mitety tanàna 20 isan’andro izy ireo raha kely indrindra. Hahazoan’ny olona tsirairay anaty tarika 10.000 Ar isan’andro izany raha miisa 13 izy ireo no miaraka. Hira telo ka hatramin’ny efatra isaky ny tanàna iray no hataon’izy ireo amin’izany mba hahafahan’ny olona rehetra mandrotsaka rakitra. Na izany aza dia notsindriany fa mandritra ity volana janoary ity ihany no mandeha io asa io. Ny ankoatra izay hoy izy dia miverina amin’ny fitanana angady sy ny asa fivelomana hafa indray ny ankamaroanay satria tsy maintsy mihinana ny vady aman-janaka. Marihina moa fa na dia maro aza ireo tokantrano Malagasy mbola mankafy itony fakana mpitsoka mozika itony rehefa taom-baovao tahaka izao dia tsy vitsy ihany koa ireo tsy dia mankasitraka izany intsony noho ny antony maro samihafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.