Miteraka ahiahy ny fisian’ny teratany Arabo mianatra teny Malagasy sy teny Frantsay eny amin’ny CDA Andohatapenaka. Inona no ao ambadika ary inona no tanjona ?
Mazava fa tsy maintsy hanamora ny fifandraisany amin’ny olona eto izy ireo fa ny aorian’izay no tsy fantatra. Ny Eoropeanina kosa dia miahiahy ny hampita sy hampianatra firehan-kevitra sy ny foto-pinoana voizin’ny silamo mahery fihetsik’izy ireo sokajin’olona mampiahiahy hita eto Madagasikara. Raha efa ny ampahany amin’ny silamo mahery fihetsika tokoa no mitady hamahatra eto dia ho tonga any amin’ny fidirana an-tsehatry ny tafika iraisam-pirenena, hiady amin’ny mpampihorohoro ny raharaha ary dia ho potika sy rotiky ny ady sy ny asa fampihorohoroana eto isika Malagasy. Nilaza ny avy eo anivon’ny CDA fa efa tamin’ny aprily 2016 no nangataka fahafahana mampiantrano mpitsoa-ponenana izay famaliana ny antson’ny Firenena Mikambana tamin’ny alalan’ny UNHR ny taona 2014 fa izao vao vory ny pitsopitsony ilaina amin’ny fampiantranoana. Miisa 100 ireo mitaky ny fahazoana alalana hitsoa-ponenana eto Madagasikara, izay ahitana Afrikanina, Pakistanais, Afghan,… ampiantranoan’ny CDA, izay nahimpony samirery. Tsikaritra fa mihamaro eto Antananarivo ireo vehivavy silamo misarona hatrany an-tampon-doha ka hatreny am-paladia na manao ilay antsoina hoe « niqab », izay mitovy amin’ireo silamo mahery fihetsika hita any Arabie Saoudite sy Iran, Afghanistan, izay hanjakan’ny vondrona mpampihorohoro DAECH,… Tsy eto ihany no misy ireo vahiny hafahafa, fa any amin'ny RN6 mihazo an’i Mahajanga, 28 km miala an'i Manerinerina, eo ambonin'ny Pont Mahajamba taloha, ohatra, dia manorina trano lay eo ireo olona miendrika Arabo, miaraka amin’ny fiara raitra. Mahagaga ny fahanginan’ny mpitondra, izay mametraka ny ahiahy hoe ny fanjakana HVM mihitsy ve no mety ho ao ambadik’izao ? Nahoana ny mpitondra no tsy miloa-bava sy tsy mitondra fanazavana raha tsy izy tokoa no ao ambadika ? Mbola baraingo hatramin’izao rahateo ny resaka fifanarahan’ny fanjakana Tiorka sy ny fanjakana Malagasy tamin’ny fandalovan’i Tayip Recep Erdogan teto, izay resaka nandeha ny hoe hampidirana mpitsoa-ponenana eto Madagasikara. Nanome fahafahana tanteraka tamin’ny sidina ana habakabaky ny Turkish Airlines kosa isika, ka sidina 2 isan-kerinandro no voalaza fa niditra teto amin’ny alalan’ny fiaramanidin’io kaompany io, izay mahazaka olona 320 isaky ny sidina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.