Actualités

Mpitsara sy mpiambina fonja Vaky tanteraka ny ady


  • Zoma 02 Jona 2017

Vaky ny adin’ny mpitsara sy ny mpandraharahan’ny fonja noho ny zava-niseho tany Manakara ny Alarobia 31 jona teo. Araka ny tatitra azonay avy amin’ny namanay any Manakara dia nisy voafonja tao Manakara ny 2 volana izay ary tratra, ka nahitsin’ny mpandraharahan’ny fonja tamin’ny fampidirana “cellule”,

 

 

 ka izay no nampakarana azy ireo tany amin’ny fampanoavana, ka nahazoany sazy mihatra 2 taona an-tranomaizina ho an’ny mpandraharahan’ny fonja miisa 3 raha toa ka sazy mihatona ho an’ny iray, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny Mpandraharahan’ny fonja (SPAPM), Realy César Diderot. Araka ny fanazavany, ny lehiben’ny fampanoavana any an-toerana dia efa mitady antsonjay amin’ireo mpandraharaha ireo satria rehefa manao fitsidihana any amin’ny fonja io izy io, dia manala baraka ireo mpiasa eo amin’ny imason’ny voafonja hoe : “ireo mpandraharahan’ny fonja ireo anie olona tsy misy dikany sy azo gadraina ohatran’ny rehetra, ka raha manana olana ianareo dia izaho no hantonina”. Tsy misy maniry ny hisian’ny olana fa tsy maintsy tadiavina ny famahana izany saingy hatreto aloha dia tezitra ny mpandraharahan’ny fonja, hoy i Realy Cérar Diderot. Mahatsapa izy ireo hoe misy tsy rariny satria olona nahatratra voafonja nitsoaka ve dia hogadraina. Raha izany ve tsy aleo havoaka daholo ny voafonja eto Madaagsaikara, hoy ity tompon’andraikitra ity. Nilaza kosa Ravalison Israel filoha lefitry ny sendikan’izy ireo fa matetika rehefa hoe mpitsara dia tsy azo hifampiresahana sy handaminana zavatra.

Valin-kafatra

Tetsy ankilany kosa dia tsy niandry ela ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) tarihin’ny filohany Fanirisoa Ernaivo, ka nanameloka tanteraka ny fihetsiky ny mpandraharahan’ny fonja. Araka ny fanambaran’izy ireo dia mamo sady nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo mpandraharahan’ny fonja ireo, ary tsy nanaiky didim-pitsarana ny hanagadrana ny namany voarohirohy tamina herisetra natao tamin’ny voafonja. Manameloka tanteraka ny fanitsakitsahana ny hasin’ny fitsarana sy ny mpiasa ao aminy. Manameloka ny fomba mamoafady tsy fampiseho masoandro, izay ataon’ny mpandraharahan’ny fonja 4 izay nitarika fikomiana, heloka voasazin’ny andininy faha-226 ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana. Manameloka hatrany ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna sy ny tsy fanajana ny lalàna velona eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, ary manamafy hatrany ny hanajan’ny Malagasy rehetra sy ny mpivahiny ny didy havoakan’ny fitsarana, hoy i Fanirisoa Ernaivo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT