Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina ny filoha voalohan’ny fitsarana an-tampony, filohan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, ny filohan’ny fitsarana mpanara-maso ny fandaniam-bolam-panjakana ary kaomisera jeneralin’ny lalŕna
. Nanao ny fianianany teny amin’ny fitsarana an-tampony Anosy izy efatra mirahalahy ireo omaly maraina ary nanatrika izany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra ary minisitra maromaro. Notanterahana io omaly io ihany koa ny lanonana famaranana ny taom-pitsarana 2014 sy ny fanokafana ny taom-pitsarana vaovao 2015. Mpitsara vonona hanarina ny lesoka rehetra no ilaina, hoy ny filoham-pirenena raha nandray fitenenana izy, dingana fametrahana ny fanjakana tan-dalàna izao, hoy izy, ka mifototra amin’ny fananana fitsarana marina, tsy mitanila ary matanjaka izany. Miandry an’izany ny vahoaka sy ny mpamatsy vola hoy izy, misy ny ezaka tsy maintsy atao satria tsy mbola mahatoky ny fitsarana ny vahoaka. Nanolotra solosaina 30 sy fiara 8 mba hampiasain’ny fitsarana moa ny filoham-pirenena.
Tsy ampy vola, tsy ampy fitaovana
Fa nandritra ity fotoana ity no nisafidianan’Atoa Ranary Robertson Rakotonavalona tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana tampony mba hamotsipotsirana tamin’ny kabary miady rima sy feno sarinteny ny zava-misy marina eo amin’ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara. Mihena isan-taona ny tetibola iasan’ny fitsarana, hoy izy ary tena tsy ampy mihitsy ny fitaovana sy ny fotodrafitrasa. Tsy ampy ihany koa ny isan’ny mpitsara eto Madagasikara satria mpitsara 1 000 mahery kely ho an’ny olona 20 tapitrisa, solosaina 1 no ampiasaina mpiraki-draharaha 5. Foana ho azy ny kolikoly rehefa tsy misy intsony ny mpanome sy ny mpaka fanahy, hoy Ranary Robertson Rakotonavalona, ary notohizany tamin’ny hoe : aoka isika tsy hanome tsiny foana ireo mpitsara sy tsy handray an-tendrony ny didim-pitsarana mivoaka. Niaiky izy fa misy ny mpitsara manondrana sy manao ny tsy mety saingy tsy izany akory no hanasoketana ny mpitsara sy ny mpiasan’ny fitsarana rehetra, hoy izy. Nanome toky omaly ny tonia mpampanoa lalàna Ranary Robertson Rakotonavalona fa hiezaka hanao ny asany araka ny tokony ho izy ny mpitsara manomboka izao. Ho hentitra ny fanaraha-maso sy fitsirihana ireo mpitsara hafahafa, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.