Manjaka sy manampatra hery ny manam-basy amin’izao. Mpitrandraka safira iray tany ambanivohitr’i Sakaraha (kariera Ankilivalo) no nitsikian’ny vintana ka nahita safira vatomanga (top) 28 g, ny herinandro iny, ary lafony 800 tapitrisa ariary
niampy fiara 4x4 iray vaovao ilay vatosoa sarobidy. Misy andian’olona mirongo basy amin’izao mifofo ny ainy. Raha ny loharanom-baovao dia lehibena dahalo ny iray, raha mpanambola vahiny ny roa, izay voalaza fa namatsy sakafo sy fitaovana nampiasainy nitrandrahana safira nandritra ny taona maro. Raha ny loharanom-baovao voaray hatrany, dia efa nahazo ny anjara volany nifanarahana ireto olona mitam-basy ireto, nefa mbola mikiry hatrany haka ny volabe rehetra any amin’i T. Noho ny tahotra ny ho faty dia voatery nitsoaka sy nifindra lasy ity mpitrandraka safira nitsikian’ny vintana lasa mpanankarena tampoka ity, izay mpiavy avy amin’ny faritra Androy iny, fa hitrandraka safira no tena anton-diany tao Sakaraha, renivohitry ny safira faharoa aorian’i Ilakaka.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.