Nalaza tamin’ny tetezamita nanomboka ny taona 2009 izay anisan’ny loharano nipoiran’izao fitondrana HVM izao ny teny hoe manara-penitra.
Resaka fotodrafitrasa isan-karazany tamin’izany fotoana no tena nimasoana izay hampanara-penitra azy. Mbola mipetraka kosa anefa ny fanontaniana hoe manaraka ny fenitra mendrika ny iantsoana azy hoe mpitondra ve ny mpitondrantsika ankehitriny sa tsia ? Voavaly avy hatrany angamba io fanontaniana io raha vao mitsiahy fotsiny ny tenin’ny filoha ankehitriny fony izy mbola vao hambara kandida hoe “ tsy niomana ny hitondra.” Nahamenatra teo imason’izao tontolo izao mihitsy ilay vao mainka porofo nomeny namaky ny kabary dika mitovy tamin’ny an’ny filoha frantsay teo aloha, Nicolas Sarkozy, ny 25 janoary 2014. Toa toy ny nilaza avy hatrany sahady fa hampiesona hatramin’ny farany ny vahoaka malagasy. Heverina ho fitsipika volamena amin’ny fitondrana ny hoe « Ny mitondra dia mitsinjo ny ao aoriana » na ilay hoe « Gouverner c’est prévoir ! » kanefa dia tsy mba nety taratra tato anaty fitondrana HVM mihitsy ny fampiharana azy nandritra ny 4 taona mahery. Mbola miakatra foana ny rano ary marobe hatrany ny traboina isaky ny misy rivodoza. Ny fahavoazana teo aloha tsy tafarina, ny vaovao mandimby. Efa tamin’ny faran’ny taona no nolazaina fa mety hiakatra ny vidin-tsolika ary tsy maintsy hiantraika amin’ny vidim-piainana izany na ho ela na ho haingana kanefa dia tsy hita izay hetsika mivaingana nisorohana azy. Raha tsy hitanisa afa-tsy ireo, aiza ny fahaizana mitarika (leadership), ny serasera mahomby sy mitondra ho any amin’ny soa iombonana, ny fankatoavan’ny fiarahamonina sy ny fahaizana mifanaraka amin’ny fianakaviambe iraisampirenena ? Tsy maintsy mila izany miampy ny foloalindahy hatreto ny fitondrana, raha ny fenitra nekentsika nanoloana izao tontolo izao amin’ny maha tany demokratika. Ny tsikaritra anefa dia mbola lavitry ny fenitra ireo mpitondrantsika ankehitriny, ary tena manosika ny olona hankahala ny loko manga.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.