Tsy nahefa ny adidiny amin’ny fiarovana ny zon’ireo mpiasa Malagasy any ivelany hatreto ny governemanta eto Madagasikara.
Manaporofo izany ny fahitana matetika ireo vehivavy Malagasy lasa adala na tsy misy aina intsony mody eto an-tanindrazana nikarama tany amin’ireo firenena sokajiana ho mahery fihetsika. Nampiatoan’ny fanjakana Malagasy mihitsy moa ny fandefasana mpikarama mankany Liban, Arabia Saodita na Kaoety. Sakana amin’ny fampandrosoana sy fatiantoka ho an’ny firenena anefa io fanapahan-kevitra io. Nirotsaka nanampy ny governemanta Malagasy moa ny «Organisation Internationale pour les Migrations». Nohamafisina nandritra ny atrikasa tamin’iny faran’ny herinandro iny ny fahaiza-manaon’ireo solontenan’ny minisitera voakasik’izany. Nivoitra tamin’ny fampiofanana ny tokony hirosoan’ireo firenena roa amin’ny fifanarahana eo amin’ny tontolon’ny asa ho fanamoràna ny fivezivezen’ireo mpiasa Malagasy mpila ravinahitra any ivelany. Andrasana kosa ny asa mivaingana norantovin’ireo mpandray anjara tamin’ny tantsoroka nosahanin’ny OIM sy ny USAID.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.