Actualités

Mpitondra fanjakana Manapotika ny fanabeazana eto Madagasikara


  • Talata 25 Aogositra 2015


 

Tsy iadian-kevitra fa maro tokoa ireo zaza miditra an-tsekoly saingy betsaka torak’izay ihany koa ireo ankizy mandao lakilasy tsy nahatojo hatramin’ny farany. Antony mahatonga io tranga io ny tsy fifehezan’ny minisitera mpiahy mantsy ny hevitry ny «fanabeazana», hoy ny mpitantana ny foibe nasionalin’ny «Association des Institutions Laïques pour l’Education» Rakotomalala Célin. Lesoka fototra ny lafiny kalitaon’ny fanabeazana amin’ny ankapobeny toy ny fotodrafitrasa miaraka amin’ireo kojakoja maro isan-karazany takian’ny sekoly. Tsy vitan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena akory na dia ny nandà ny fanatanterahana ny fifidianana tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanadinam-panjakana farany teo aza, hoy ity filohan’ny fikambanana «Aile» ity. Tsy matihanina intsony ireo mpanabe satria ilay hasin’ny asa fanabeazana mihitsy no very tanteraka. Mifantoka fotsiny amin’ny fampiofanana ahazoana diplaoma ny fampianarana eto Madagasikara. Voabaikon’ny vola avokoa mantsy ankehitriny na ny fanjakana na ireo mpampianatra natao hampita fahaizana sy fahalalana. Mpitondra tsy manan-janaka no tsy mitsinjo taranaka manapotika ny tontolon’ny fanabeazana ny fitondram-panjakana Malagasy, araka ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra mpanabe ity.

Ramano F.

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT