Actualités

Mpitatitra ao amin’ny UCTU Nanome « Ultimatum » ny fanjakana indray


  • Zoma 13 Janoary 2017

Tsy hita intsony izay tena marina amin’ny zavatra tadiavin’ny avy eo anivon’ny vondron’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra na ny UCTU.

Vao ny alarobia teo no nampanantena ny fahavononan’izy ireo hiara-kiasa amin’ny kaominina sy tsy hampiakatra saran-dalana aloha fa miandry ny fampanantenana nataon’ny fanjakana ny amin’ny hanomezana ilay 12 miliara ny mpitatitra. Omaly indray anefa izy ireo dia nampiantso mpanao gazety hampandrenesina fa ny alarobia 25 janoary ho avy izao no fe-potoana takian’izy ireo hiandrasany ilay saikiny na « compensation » avy amin’ny fitondram-panjakana. Ny tamin’ny taona 2015 aloha no andrasana satria tsy mbola nahazo izany ireo mpitatitra eo anivon’ny UCTU raha ny nambaran’ny filohany, Andriambinintsoalomora Bernardin. Nampitandrina ireo mpitatitra miara-miasa aminy koa ny filohany fa raha mbola mitohy ny hadalan’ny mpamily sy ny mpanampiny, toy ny fanivaivana mpandeha, fanalana olona eny an-tenantenan-dalana, tsy fanajana dia mety hiafara amin’ny fisintonana ny taratasim-piara.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT