Niditra tamin`ny fihaonana fahatelo ny mpanao gazety sy ny mpitandro ny filaminana mahakasika ny fandrafetana ilay fifanarahana arak`asa (protocole d`accord) eo amin`ny roa tonta.
Rafitra iray entina hiarovana ny asa fanaovan-gazety amin`ny fanatanterahana ny asa no tanjona. Tsy arovana be fahatany kosa ny mpanao gazety, hoy ny solontenan`ny OJM fa misy fifanajana ao anatin`izay asa izay. Ny lalàna mipetraka no mampafantatra ny tokony hatao na ny mpanao gazety na ireo mpitandro ny filaminana mba tsy hiterahan`ny korontana rehefa samy eo amin`ny fanatanterahana ny asany. Nampiavaka an`ity andiany ity ny fisian`ny mpiantsehara vaovao. Nasaina manokana ny minisiteran`ny fitsarana satria misy anjara asany amin`io fandrafetana fifanarahana arak`asa io. Nandritra an`ilay atrikasa dia samy naneho ny heviny mahakasika izay marimaritra iraisana ka anisan`ny mpandray anjara ireo solontenan`ireo fianakaviamben`ny mpitandro ny filaminana. Aorian’ity fihaonana ity, handray izay hevitra hafonja na koa fanamarihana ireo mpikarakara ka miasa indray ny komity handrafitra azy io ary hiditra amin`ny andiany fahefatra izay hanamarihana ireo soso-kevitra rehetra alohan`ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana.
Fikatsahana ny fahefana fahefatra
Amin`ny asa fanaovan-gazety dia lalan-tsaina telo no tsy maintsy hizorana amin`ny fanehoana ny tranga misy eo anivon`ny fiarahamonina sy ny firenena amin`ny sehatra rehetra dia ny fampitam-baovao sy fanabeazana ary serasera. Katsahina ao an-tsaina mandrakariva ihany koa ny siansa momba ny fitsipi-pitondrantena (éthique) ary ny fitsipika sy andraikitra mifehy ny asa (déontologie). Mila mahay manavaka ny lafiny tsara sy ny ratsy, tsy mitanila ary tsy mifangaro fihetseham-po rehefa manao fanadihadiana na koa fanehoan-kevitra satria amin`izao fotoana dia tombantombana sy ny fitsarana ivelany no misy izay hiteraka zava-doza. Matetika koa misy ireo manao fandikana vilana. Ka raha tiana hisitraka ny fahefana fahefatra ny mpanao gazety dia mila manome zava-marina tsy mitanila ary mijoro amin’ny fahamarinana tsy misy fitongilanana. Saropady tokoa ny serasera ary ny lasa tsy fanadino satria izany serasera izany no fositra voalohany niaingan`ny fanapotehana rehetra teto amin`ny firenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.