Actualités

Mpitandro ny filaminana mamo Nivalan-drano tamin’ny vavahadin’olona


  • Zoma 27 Martsa 2015

Ny fihetsika tsy voahevitra ataona mpitandro filaminana sasany zatra ny lalan-dririnina amin’izao fahavaratra izao tsy laitry ny balan’ny fananarana no manaratsy endrika amin’ny ankapobeny ny fianakaviamben’ny mpitandro filaminana eto amintsika, ka mampihena ny fitokisan’ny vahoaka azy ireo.

 

Afak’omaly alina, tany Toliara, mpitandro filaminana iray mamon-toaka no nivalan-drano tamina vavahadin’olona tsy lavitra ny « bar » nisotroany ka voadaroka. Henon’ny tompon-trano izy nanao maloto teo, ary na dia notenenina aza dia ny nataony ihany no nataony. Izy nipipy eo am-baravaran’olona indray no bevava. Tezitra ny tompon-trano izay niangavy azy hiala teo, nefa teny maloto tsy faseho masoandro no nasetriny izany. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny fifamaliana. Marihina fa nanao fanamiana sivily ity mpitandro filaminana ity tamin’io, raha ny voalazan’ny vaovao.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT