Notoloran’ny solombavambahoakan’Antsirabe faharoa, Rtoa Ravelohanitra Nirina fitaovana toy ny solosaina niisa 03 niaraka amin’ny “Imprimante” niisa roa ary fitaovam-pifandraisana “Walkie-Talkie” roa ny mpitandro ny filaminana tao Antsirabe ho an’ny Polisy sy ny Zandary
. Ankoatra ireo dia notolorany vary 20 kitapo ihany koa ireto mpitandro filaminana ireto. Ny sabotsy 21 martsa teo no nanolorany izany. Nambarany fa zava-dehibe ny asan’ny mpitandro filaminana izay mila fanohanana hatrany izy ireo amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Nambarany fa tato ato dia hita nivaingana ny asan’ny mpitandro filaminana teto Vakinankaratra sy ny manodidina ka medri-piderana izany ary tokony ho tohizana. Nambaran’ny Kaomisera divizionera Talily Damy fa mampirisika azy ireo mba hanao ny tsaratsara kokoa ny fahitan’ny tompon’andraiki-panjakana ny ezaka ataon’izy ireo, indrindra fa ny lafiny fampitaovana, izay nisaorany manokana ny solombavambahoaka izany satria manampy azy ireo amin’ny asa ny solosaina sy ny “Imprimante” niaraka taminy.Nomarihiny fa misy ny antokona polisy miofana manokana amin’izao fotoana ka entina hanohanana azy ireo ny vary fanomezana. Marihina moa fa niaraka tamin’ny solombavambahoaka nanome ireto fitaovana ireto ny misioneran’ny “Seoul Light and Salt church”, izay mpiara-miasa akaiky amin’ity solombavambahoaka ity. Ny alahady 22 martsa moa dia nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Kaominina Soanindrariny nijerena ny mety hitadiavana mpiara-miombon’antoka amin’ny fanamboaran-dalana sy ny fandriampahalemana niarahana tamin’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.