Actualités

Mpisehatra eo amin`ny sarimihetsika Vaky tanteraka ny ady amin`ny OMDA


  • Talata 08 Mey 2018

Tsy mbola miravona ny ady mangatsiaka nisy teo amin`ny OMDA sy ireo mpisehatra amin`ny sarimihetsika, famokarana haino aman-jery, kilalao an-tsary ary fakana sary eto Madagasikara.

Namaly ireo mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika malagasy izay milaza fa hiala tsy ho mpikambana ao amin`ny OMDA intsony. Mitaky izy ireo ny famindrana tanteraka ny resaka zon`ny mpamorona izay mahakasika azy ireo ho any amin`ny Antokon-draharaha Malagasy momba ny Sinema sy ny sary ahetsika (OMACI) araka ny lalàna velona. Manao antso avo ho an`ny minisiteran`ny Kolontsaina mba handray ny andraikitra mifanandrify amin`izao fitakiana izao izy ireo, indrindra fa ny mahakasika ny OMDA. Tokony hampiharina ny lalàna velona laharana 2017-011 tamin`ny 26 jolay 2017 mahakasika ny politika nasionalin`ny sinema sy ny sary ahetsika ireo mpisehatra, hoy hatrany ny fanazavana. Eo ihany koa ny fanoratana ao anatin`ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana akaiky indrindra ny loharanom-bola ny tahirim-bola (fonds d`aide) hoentina hanampiana ireo sehatra voalaza ireo. Efa nandritra ny taona maro no efa naira-niasa tamin`ny OMACI ireo mpisehatra tamin`ny famolavolana ny lalàna ny Sinema, famokarana haino aman-jery, kilalao an-tsary ary fakana sary. Vonona hifanampy amin`ny OMACI ny mpisehatra eo amin`ny sary mihetsika mba hanatsara hatrany ireo vokatra sy tolotra omena ny mpanjifa ary hametraka paik`ady mahomby hamongorana ny piraty sy ny fivarotana tsy ara-dalàna sangan`asa mba ho tonga amin`ny fisiana Indostria sinema sy ny sary ahetsika manara-penitra eto Madagasikara.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT