Actualités

Mpiraki-draharahan’ny Fitsarana Nivoaka ny andiany « Ny Avo » miisa 98


  • Alakamisy 27 Jolay 2017

Notanterahina omaly alarobia 26 jolay 2017 teny amin’ny CCI Ivato ny lanonam-pamoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiraki-draharahan’ny Fitsarana andiany faha-17,

niofana tao amin’ny Sekolim-pirenena Mpanofana Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG). Miisa 98 ireo, ka « Ny Avo » no anarana nosafidiany nampisalorana ity andiany ity. Nanome voninahitra sy nitarika ny lanonana ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier sady ray mpiahy ity andiany ity. Tamin’ny lahateny nataon’ny praiminisitra no nitodihany tamin’ireto mpiraki-draharaha vao nahazo maripahaizana fa tokony handray anjara amin’ny fametrahana ny Fitsarana tsy mitanila sy ny tany tan-dalàna izy ireo. « Misy ny tamberin’andraikitra amin’ny maha mpiasam-panjakana. Aza hadinoina ny antom-pisiantsika amin’ny maha mpiasam-panjakana antsika dia ny fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Ilaina ny fitakiana ny tombontsoa ary rariny izany fa aza adino ny tombontsoa ambonin’ny firenena », hoy izy. Tokony ho tsaroana fa mpiasam-panjakana ianareo nefa mpiasam-bahoaka ihany koa. Jereo ny olona rehetra fa aza asiana fanavahana. Manompo vahoaka amin’ny sehatra tsirairay no asanareo, hoy hatrany ny Lehiben’ny governemanta. Anisan’ny tonga nanotrona ny lanonana ny filohan’ny Antenimieran-doholona, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ny Tale jeneralin’ny sekoly, ny Lehiben’ny firaiketan-draharaha eto Antananarivo no sady reny mpiahy ny andiany “Ny Avo”.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT