Actualités

Mpiraki-drahadraham-pitsarana Mitohy ny fitokonana


  • Alarobia 05 Desambra 2012

Rava maina ny fihaonan’ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny fitsarana sy ny ekipany tamin’ireo mpiraki-draharaham-pitsarana tetsy Anosy omaly.

 Tsy afa-po tamin’ny vahaolana nentin’ity tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Ministeran’ny fitsarana ity ireo mpitokona satria tsy ampy ny 10%-n’ny vola andrasan’izy ireo akory no nambaran’ingahy sekretera jeneraly. Tsia avy hatrany no nasetrin’ireo mpiraki-draharaha rehetra izany. “Sady efa tsy mety aminay ilay maribola no tsy mbola misy filazana izay tambikarama mifandraika amin’io vola homena anay io akory fa ampidirina anaty vatakarama fotsiny ilay izy. Amin’ny janoary 2013 no ambara fa hahazoana azy nefa mety tsy ho ampelatanana ilay vola raha tsy any amin’ny volana martsa any”, hoy Rabenandrasana, filohan’ny Sendikan’ny mpiraki-draharaham-pitsarana.

Niezaka nandresy lahatra ny mpiraki-draharaha mba hiverina hiasa na hanao “service minimum” farafaharatsiny ingahy Sekretera jeneraly sady nangataka azy ireo koa mba hiandry ny Repoblika faha-4 vao manao fitakiana toa izao satria tsy zakan’ny tetibolam-panjakana ilay fitakiana. Ho an’ny mpitokona anefa dia noho ny fahasahiranan’ny fanjakana izay indrindra no mahatonga azy ireo hiverina hiasa raha vao mahazo ny 20%-n’ny fitakiany. Masiatsiaka mihitsy aza ny fanambarana nataon-dRabenandrasana teo anatrehan’izany raha nilaza izy fa efa tokony ho niomana tamin’ny fahatapahan’ny famatsiana avy any ivelany ny mpitondra ankehitriny raha vao nandray fitondrana. Nampiany koa fa ny fanjakana ankehitriny mihitsy no maneho fa efa anaty Repoblika faha-4 isika izao ary porofon’izany ny fankalazana makotroka ny tsingerintaona faharoa nidirana tamin’izany afaka herinandro. Manoloana ny resaka famindran-toerana na fangataham-panazavana na koa fanerena miasa ireo mpitokona dia nampitandrina ny filohan’ny sendika fa «vao maika hampirehitra ny afo» ny fanaovana fandrahonana azy ireo.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT