Actualités

Mpilatsaka an-tsitrapo Hikarakara fifaninanana


  • Talata 14 Febroary 2017

Asa mila finiavana ny fanaovana ny asan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo sady tsy handraisan-karama.

Mila fitiavana ny mpiara-belona ihany koa izy hahafahana mitsinjo ireo tena sahirana sy mila fanampiana. Mba hahafahana mitily ireo karazan’olona tena vonona ny ho amin’izany dia hanatanteraka fifaninanana ho an'ireo mpilatsaka an-tsitrapo rehetra manerana ny Nosy ny foiben'ny mpilatsaka an-tsitrapo Malagasy eny Nanisana hotronin’ny minisiteran'ny serasera sy ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana. Antsoina handray anjara ao avokoa ireo olona eo anelanelan'ny 16 ka hatramin'ny 70 taona, mety na olon-tokana na anatina fikambanana, rehefa  manam-piniavana ny hanao zavatra tsara ary hita fa misy fiantraikany mivantana amin'ny vahoaka ny asa hataony. Ny  talata 28 febroary ho avy izao no hifarana ny fisoratana anarana. Fepetra takiana amin'ny mpandray anjara kosa anefa ny fandraisana lohahevitra iray anatin'ireo tanjon'ny fampandrosoana lovain-jafy na ny ODD miisa 17, araka ny tafa nifanaovan'ny mpikarakara tamin'ny mpanao gazety omaly teny Nanisana. Anisan’izany ny fanolorana paikady hoenti-manafoana ny fahantrana eto amin’ny firenena. Amin'ny alalan'ilay adiresy mailaka concoursvolontaires2017@gmail.com moa no hahafahana misoratra anarana na koa manatona mivantana eny Nanisana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT