Actualités

Mpikamban’ny Governemanta Maro no mety higadra atsy ho atsy


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Manomboka mifoha ny dosie lehibe momba ny kolikoly isan-karazany eto amin’ny firenena. Nidoboka am-ponja ny minisitra teo aloha Jean Razafindravonona voarohirohy tamin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy.

Tsy io ihany no efa voatonona matetika tamin’ny raharaha nahasaringotra ity mpanefoefo ity fa hatramin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier aza efa nametrahan’ny vondrona politika iray fitoriana, fa hoe tsy afa-miala sy tompon’andraikitra voalohany. Efa nidoboka am-ponja hatry ny ela ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny serasera teo aloha Nivo Ratiarison, raha nailika sy toa efa tratry ny fanenjehana ny minisitra Vonison Andrianjato. Maro ny minisitra hahenoana afera maloto isan-karazany amin’izao fotoana izao, ary na ho ela na ho haingana tsy maintsy hipongatra avokoa ny dosie isan-karazany atsy ho atsy. Volana maromaro izay no nahenoana ny fisian’ny fampanantsoan’ny Bianco ny minisitra iray am-perinasa vehivavy noho ny ahiahy mombana kolikoly saingy nahemotra izany. Tsy nisy tohiny intsony io resaka io hatramin’izao noho ny mety fifampiarovana ao anaty fanjakana. Mazava ho azy aloha, fa mbola afaka miaro tena ny ankamaroany satria mbola eo amin’ny fahefana. Lojika be raha samy mikofokofoka mafy hanao izay mbola hampandaniana ny filoha ankehitriny, sao hiara-tapa-tenda eo. Vao tsy ny HVM intsony mantsy ny eo dia mazava ho azy fa hipoaka ny afera maloto rehetra, ary maro no mety hitsoaka sy hanao sesitany ny tenany any ivelany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT