Actualités

Mpikambana Acoa Nirotsaka an-dalambe nitaky ny volany


  • Alakamisy 17 Jona 2010

Tapitra omaly alarobia ny fe-potoana 48 ora nomen’ireo mpikambana eo anivon’ny Acoa Toamasina hanokafana ny Caisse Acoa hakan’izy ireo ny volany. Nirotsaka an-dalambe ireo mpikambana omaly rehefa tsy nahazo valiny nahafa-po.

Nisy ny fanakanan-dalana nataon’izy ireo ny arabe manoloana ny foiben’ny Vondrona Acoa tao Mangarivotra tokony tamin’ny 10ora maraina. Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana sy sahotaka tamin’ny mpampiasa izany, ary korontana tamin’ireo mponina manodidina sy ny mpivarotra. Voatery niditra an-tsehatra ny FIP izay tonga mialoha, ary nampian’ny zandary sy ny polisy ny Commissariat Central avy eo, namono ny afo teo afovoan’ny arabe, ary nanaisotra ny olona nitangorona teo. Tsy nitsahatra teo anefa ny raharaha, fa nisy ny filaharana natao niainga tao Mangarivotra nihazo ny biraon’ny Faritra Atsinanana. Nisy ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny mpikambana sy ny Faritra Atsinanana. Naharitra ora roa ny fifanazavana, niatomboka tamin’ny 12 ora antoandro ary nifarana tamin’ny 02ora tolakandro.

Nisy ny vahaolana naroso, izay neken’ny besinimaro. Hisokatra ny caisse Acoa manomboka anio alakamisy 17 jona ho an’ireo hamerina tsotra araka ny vola nosamboriny, aorian’izay ny fanomezana ny volan’ny mpaka vola hanomanana fety sy hanaovana ny asa andavanandro. Ankoatra izay anefa, dia mbola baomba milevina ao Toamasina ity raharaha ity, satria tsy hilamina ny fety ny 26 jona, hoy ireo mpikambana raha tsy misy ny fepetra hentitra sy haingana ary maharitra raisin’ny mpitondra. Ny fampiharana ny didim-pitsarana ady maika ho famoahana ny vola voageja eny amin’ny banky no tena tadiavin’ireo mpikambana, ary ny ampitsaharan’ny Otiv Littoral ny antsonjay atao amin’izy ireo izay mampikorontana ny fitantanana misy ao amin’ny caisse-n’izy ireo.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT