Actualités

Mpikabary - FIMPIMA Noroahin’ny ministeran’ny kolontsaina fa hoe olon-dRavalomanana


  • Alakamisy 02 Septambra 2010

Tsy ireo mpanao gazety na koa ireo mpiara-miasa tamin’ny fitondrana teo aloha ihany no lasibatr’izao fitondrana FAT izao.

Araka ny fantatra mantsy dia anisan’ny nahazo ny anjarany koa ireo Mpikabary ao amin’ny FIMPIMA nanana ny foibeny tao amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha sady misy ny biraon’ny minisetran’ny kolontsaina. Araka ny fantatra manko dia noroahin’ny ministera tsy hanana birao eo anivon’ny ministera intsony ny FIMPIMA sy ireo mpikambana ao amin’ny birao vaovao, vao voafidy volana vitsy lasa izay. Nambara, araka ny vaovao, fa hoe ilain’ny ministera ny trano ka dia nesorina tao izy ireo. Araka ny fanazavana anefa dia tsy mbola nisy nampiasa akory io efitrano natokana ho an’ny FIMPIMA io. Tondro molotra, nilazana fa olon-dRavalomanana ireo mpikambana ao amin’ny birao vaovao ka dia izao tratry ny fahirano izao. Any Tsimbazaza, misy ny Akademiam-pirenena any indray no mitampify ny FIMPIMA mandram-paha. Hatramin’ireo mpanabe vojo ny kolontsaina Maha firenena ny firenena avy ity no voahilikilika, koa aiza moa no hisy raha manjary eto. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT