Actualités

Mpifindramonina an-tsokosoko tany Nosy-Be Rendrika ny sambo ,9 no maty 3 tsy hita popoka


  • Alakamisy 21 Mey 2015

Sambo kely nitondra olona 20 niala tao Nosy Be hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte no rendrika tao amin’ny fari-dranomasin’i Dzamandjary omaly maraim-be.


 Mpiandriaka maraina no nahita ireo tra-doza ka nampahafantatra ny olona. Hatry ny omaly hariva dia razana 9 no efa hita ka zaza ny 4 tamin’ireo ary vehivavy ny 5. Avotra kosa ny 8 tamin’ireo mpandeha saingy nitsoaka ny 3 nentin’ny tahotra. Mbola nokarohina kosa ny 3. Ny hamaroan’ny olona sy ny vesatra mihoatra ny tokony ho nentiny no tombanana ho nitarika ny loza. Nahitana menaka rongony 2 litatra, rongony 5kg ary solika 400 litatra niaraka tamin’ny entan’ny mpandeha tao anatiny. Voalaza fa 2 ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ariary isan’olona ny sarandalan’ireo hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte. Nanaitra ny rehetra omaly ity tranga ity satria fantatra izany izao fa misy Malagasy miala eto Madagasikara mba hifindra monina an-tsokosoko any ivelany, tahaka ny mitranga any Italia. Mazava koa fa dia misy ireo mahazo vola be avy amin’ity afera vaovao ity, ary ny tena loza dia misy koa izany ny rongony amin’ny endriny isan-karazany miainga eto Madagasikara ka aondrana any amin’ireo nosy manodidina antsika.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT