Actualités

Mpifanohitra ara-politika Nampihaonin’ny kolontsaina teny Anosimanjaka


  • Zoma 10 Septambra 2010

Nampihaonin’ny fandalana ny fomba malagasy tsy nahy na niniana natao teny amin’ny fankalazana ny Alahamady Malagasy nokarakarain’ny Zana-dRanavalona teny Anosimanjaka omaly ireo mpifanandrina ara-politika.

Samy nahazo fanasana mazava avy amin’ny mpikarakara izy ireo nefa mety ho tsy nanam-po ny mety ahatongavan’ny mpifanandrina aminy tao amin’ity hetsika ity raha ny marina. Anarana tsy zoviana singanina amin’izay hita teny, ohatra, ry Hary Naivo Rasamoelina, Mireille Rakotomalala, Dr Hery Raharisaina, Kolo Rolland raha tsy hitanisa afa tsy ireo isika. Ningonongononan’ny mpikambana sasany ao amin’ny Zana-dRanavalona kosa anefa ny tsy nanomezana fitenenana ireo an-kolafy hafa rehefa nanome ny sasany higalabona tamin’izany. Nisongadina tao amin’ny lahateny rehetra nataon’ireo nandray fitenenana, ankoatra ny fiderana manokana ny Zana-dRanavalona mbola miezaka mitana ny fomban-drazana sy manandratra izany hatrany, ny hoe : andro fifamelana ny Alahamady na Asaramanitra, na Fandroana, na Taom-baovao malagasy izay hilazana azy ka tokony hifankatia hitady ny marimaritra iraisana fa raha miparitaka eto isika asa izay hahazo ! “Ka matesa izay ho faty, vereza izay ho very fa ny Malagasy tsy hifamery na oviana na oviana”. Ny an’ny mpitondra FAT moa efa vita tsianjery ny fivoizana ny hambom-pom-pirenena anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena nefa tsy adinon’izy ireo koa ny nampahatsiahy fa tsy afa-miala amin’ny fifandraisana amin’izao tontolo izao isika fa mety mavesatra kokoa ny kolontsaintsika raha ampiarahana amin’ny fanatontoloana.

Taorian’ny fafy rano nataon’ny Zokiolona Ratsivoarison Arthur mpitarika ny Zana-dRanavalona ankehitriny sy ny famonoana ny omby telo be izao dia nisy ny fiarahana nihinana ny nofon-kena mitam-pihavanana tao anatin’ity lanonana ity. Dia niaina tao anatin’ny fahasamihafana tokoa ny mpianakavy nasaina tamin’ity Alahamady teny Anosimanjaka ity na ireo manana ny taom-baovao azy manokana ihany koa aza avy eto Analamanga, indrindra ireo Ampanjaka sy Tangalamena avy any amin’ny Faritra ivelany notarihan’ny Tangalamena Zakariasy Patrick avy any Atsinanana. Hifarana anio amin’ny alalan’ny hiragasy roa tonta ity Alahamady Malagasy nokarakarain’ny Zana-dRanavalona ity ka mbola hirenty ao Anosimanjaka ao ny loko mena midorehitra toy ny omaly (Rova, tranomanara, saina, akanjo, satroka, lamba…

 
E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT