Mihamafy ny fandrahonana sy ny fanapenam-bava mihatra amin’ireo mpiasan’ny SAMVA izay mitaky ny zony amin’izao, raha araka ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Isaky ny fivoriana mantsy, hono, ny lehiben’ny SAMVA dia mamerimberina hatrany fa “force sy voay ny tenany ka tsy tokony ho tsapatsapaina na andrama atelina”, fitenena izay tena mampatahotra mafy ireo mpiasa tokoa.
Nanamafy anefa ireto farany fa tsy ny hanala ity lehiben’ny SAMVA ity amin’ny toerany no tena tanjon’izy ireo fa ny mba hahafahan’izy ireo misitraka ny zo fototra tahaka ny hananan’ny mpiasa rehetra mitovy aminy. Nomarihin’ireo mpiasa SAMVA moa fa miseho amin’ny endrika maro izany fandrahonana mahazo azy ireo izany. Ho an’Atoa Razafindrafidy Ignace, coordonateur-SOM tao amin’ny SAMVA ohatra dia ny andro tsy niasany vokatry ny famonjana azy sy ny harerahany no navadika ho fe-potoana tsy ara-dalana niasany ka nampiakarana azy CODIS ary antony nandroahana azy. Ho an’Atoa Gasy Seta indray lehilahy lehibe efa tokony nisotro ronono nefa mbola nampiasain’ny SAMVA ihany dia voatery nafindra toerana izy…Nisy ihany koa ireo tratran’ny fanamarinana arak’asa na dégradation. Ho an’ny FISEMARE manokana moa dia nilaza izy ireo fa tsy rariny izao olana mianjady amin’ny mpiasan’ny SAMVA izao. Manahy ny hisian’ny tsy finiavana ao anatin’ny orinasa hamaha ny resaka zon’ny mpiasa tahaka izao izy ireo matoa mihafara amin’ny fanagadrana sy ny fandroahana hoy hatrany ny FISEMARE.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.