Nakarin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier avo roa heny ny tambin-karama manokana ivelan’ny vatan-karama na « indemnités » ho an’ny mpiasa rehetra eo anivon’ny fiadidian’ny primatiora.
Efa any amin’ny tahirimbolam-panjakana ny dosie momba izany, ary mihatra avy hatrany manomboka ny volana desambra, ka horaisina vola mivantana ankoatra ny bolongan-karama. Tsy misy malahelo an’izay vola hiditra any am-paosin’ny mpiasa, fa ny mahagaga dia ny fihetsika tampotampoka toy izao. Nivadika samaritana tsara fanahy tampoka ve ingahy Praiminisitra ? Inona no antony ? Taorian’ny nanesorana an’i Honoré Rakotomanana tamin’ny toerany tsy ho filohan’ny Antenimierandoholona, dia efa nisy ny loharanom-baovao azo, fa mety hoesorina amin’ity volana desambra ity ny praiminisitra. Misy ifandraisany amin’izay ve izao fampitomboana ny vola raisin’ny mpiasan’ny primatiora izao ? Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy halahelo ny toerany ny tenany raha ho raikitra tokoa ny fanesorana. Tsy maintsy hitady izay fomba rehetra hijanonana amin’ny seza izy raha azo atao. Azo heverina ny hanambazana ny mpiasa hiaro sy hangataka ny mbola hitazonana ny azy eo amin’ny toerany. Mety ho tapaka na tsy ho raikitra rahateo io fampiakarana ny vola raisina io, raha tsy i Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay tompon-kevitra no eo amin’ny toerana. Tsy maintsy hiezaka hiaro ny tombotsoany ihany koa ireo mpiasa ka mety hanaovana fitaovana azy ireo hiaro ny praiminisitra tsy hiongana no ambadiky fanapahan-kevitra. Efa fomba fanao hatreny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza rahateo ny fanambazam-bola ny solombavambahoaka, mba tsy hikitikitika ny praiminisitra. Nangina tampoka teny Tsimbazaza tamin’ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana teo ny resaka fanonganana azy, raha efa nandeha be ny resaka fanangonan-tsonia. Tsy hay izay niseho tany ambadika tany, fa dia tampina indray ny daomy tamin’iny indray mitoraka iny. Hevitra hafa indray ve izany izao no miainga sao mbola mihozongozona eo indray ny seza ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.