Actualités

Mpiasan’ny onjam-peo VIVA Voantsindron’antsy vao maraina


  • Talata 10 Aprily 2018

Naratra mafy vokatry ny herisetra nataona olon-dratsy maromaro azy i Aina na Animajay, teknisianina sady mpanentana fandaharan’ny onjam-peo Viva omaly vao maraina.

 Manodidina ny tamin’ny 6 ora maraina andeha hamonjy asa miditra amin’ny 7 ora no nisy lehilahy maromaro nanakana azy teo am-bavahady ivelan’ny Tana Water Front eny Ambodivona. Nitaky ilay kitapo teny aminy sady nanambana antsy azy ireto farany. Tsy nanda izy fa tonga dia nanome ilay kitapo, saingy mbola norasain’ireo olon-dratsy. Ny tratrany sy ny lohany no tena voa. Nijininika ny ra, ka rehefa nahita ireo olon-dratsy fa voa mafy izy, dia lasa nandositra. Ny olona teny amin’ny manodidina no nitondra azy teny amin’ny Espace Medical Ambodivona, ary ireto farany ihany no nandefa azy teny amin’ny Hopitaly HJRA teny Ampefiloha. Efa tsy misy atahorana intsony ny ainy amin’izao fotoana. Mampametra-panontaniana  ny zava-niseho hoe asan-jiolahy tsotra sa mety misy hifandraisany amin’ny tontolon’ny haino aman-jery sy ny asa fanaovan-gazety ? Somary nangotrangotraka rahateo ny raharaha eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety, izay mifamatotra hatrany amin’ny raharaha politika tato ho ato. Ny fanadihadiana sy ny fikarohan’ny manampahefana no hamoaka ny tena marina ao ambadiky ny raharaha tahaka izao, raha ho hita.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT