Actualités

Mpiasan’ny ladoany Hiverina hitokona Taorian’ny fitokonan


  • Alakamisy 22 Jona 2017

Taorian’ny fitokonana nandritra ny 2 andro nataon’ny Sendikan’ny mpiasan’ny ladoany (SEMPIDOU) ny 29-30 mey, narahin’ny fivoriambe tsy ara-potoana ny 01 jona dia nanome fe-potoana ny fanjakana hamaliana ny fitakiany hatramin’ny 26 jona ny sendika.

Tsy mbola nisy valiny hatramin’izao izany na dia nisy aza fihaonana nifanaovana tamin’ny minisitry ny vola sy ny tetibola ny 30 mey. Isan’ny lehibe amin’ny fitakiana ny momba fampiakarana ny mari-karama. Notsiahivin’ity sendika ity ihany koa ny taratasy mitondra ny laharana 0005/SE.MPI.DOU/BUR tamin’ny 22 Febroary 2017. Vokatry ny tsy firarahiana ny fitakiany dia milaza ny hanohy ny fitokonany ny sendika ny 27 jona ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora maraina, araka ny taratasy laharana 014/SE.MPI.DOU/BUR/2017 nalefan’izy ireo any amin’ny Minisitry ny vola sy ny tetibola sy ireo tompon’andraitra isan-tsokajiny voakasika ny 20 jona teo. Nanasonia ny fanambarana kosa ny mpitarika ny sendika Andrianavalona Herizo. Hatramin’izao dia voatazona ny hanohizana ny fikononana. Mahatratra 5 miliara ariary isan’andro anefa ny fampidiram-bolan’ny ladoany ao anatin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana. Tsy hay aloha na hisy indray ny vono afo sy fampanantenana ny vahaolana petatoko na hinia be marenina hatrany ny fitondrana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT