Mitsangana indray ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny Jirama mivondrona ao anatin’ny « inter-syndical », ka hisy ny fihaonana hataon’ny mpiasa eny amin’ny sekoly Sainte Famille Mahamasina ny sabotsy izao.
Voahitsakitsaka ny fifanarahana iombonana izay aroriakan’ny mpiasa, ka manahy ny hoavin’ny mpiasa sy ny orinasa izy ireo, raha ny fanazavana. Anisan’ny nampiaka-peo ireo mpiasan’ny fanendrena tompon’andraikitra. Tokony hazava an-taratasy hoe inona no fepetra rehefa ao anatiny no hikarohana tompon’andraikitra ary ahoana rehefa ao ivelany ? Taorian’ny Tale jeneraly izay efa niteraka resa-be, noho izy ambaran’ny mpiasa ho tsy mahalala akory ny Jirama na ny tontolon’ny angovo, dia ny antso antso tolotr’asa ho an’ireo tompon’andraikitra vaovao izay olona ivelan’ny Jirama mihitsy no tsy mahafaly ny mpiasa. Mila hajaina ny fifanarahana iombonona hoe ao anatiny aloha, ka rehefa tsy mahafeno ny fepetra ny ao anatiny izay vao havoaka any ivelany satria ny mpiasa no mizoga ny tsy fahombiazan’ny mpitantana nifanesy, raha ny fanehoan-kevitra. Raha ny fanazavana ihany, 3 amin’izao ny Tale jeneraly saingy ny iray tale mitantana fa ny roa kosa tale mipetraka satria ireo Tale jeneraly roa teo aloha Nestor Razafindroriaka sy Desiré Rasidy dia samy mpiasan’ny Jirama ary mandray karama ara-dalàna. Raha ny tsilian-tsofina ihany koa dia re fa misy ny vinavina amin’ny hanolorana ny fitantanana toby famokarana miisa 30 ny orinasa tsy miankina Henri Fraise, ka tsy hay izay hiafaran’ny mpiasa raha ho tanteraka tokoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.