Na izahay aza, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana (Sempidou), Andrianavalona Herizo, tsy manery ireo mpiasan’ny fadin-tseranana rehefa tsy te hitokona izy ireo.
Tamin’ny fivoriambe izay natao ny zoma teo dia ny 90%-n’ireo nivory no nanaiky fa miverina manomboka omaly alarobia ny fitokonana satria tsy mamaly ny fitakiana natao ny fifampiresahana tamin’ny solontenam-panjakana. Misy anefa ny faneriterena isan-karazany, toy ny ataon’ny mpandray hetra izay miambina eo am-bavahady izay mitady hitokona sy ilay fanapahana nivoaka fa tsy maintsy miasa ny mpitantana rehetra sokajy A sy B ary tapaka karama ireo izay mitokona.
J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.