Mpiasan’ ny Tiko Vohidiala
Niara-niombom-bavaka nankalaza ny noely
ny mpiasa no mbola nampijoro ity orin’asa naorin’ny filoha Ravalomanana Marc ity. Somary nihena ny vokatra niakatra tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny taon-dasa. Tsy kivy anefa izy ireo fa mino sy matoky fa Andriamanitra no mandahatra izany. Nandritra ny fanompoam-pivavahana notanterahana ny herinandro teo no nanaovan’ny tale Atoa Dera antso ny tokony hanohizana ny firaisan-kinan’ny mpiasa efa nisy hatramin’izay mba hatratrarana ny tanjona dia ny fampitomboana ny voka-bary.Nisy ny kilalao nataon’ny zanaky ny mpiasa sy ny fizarana vatomamy ary fanolorana fanomezana noho ny fetin’ny Noely.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.