Actualités

Mpiasan’ny orinasa afaka haba 22.000 no efa nahazo ny zo sy tombontsoany


  • Alakamisy 29 Aprily 2010

Sehatra nitondra faisana voalohany amin’izao krizy izao ny sehatry ny orinasa afaka haba. Orinasa 36 no tratran’ny fampitsaharana ny asany noho ny fahatapahan’ny Agoa ary asa analiny no very.

Raha ny antontanisa avy eo anivon’ny minisiteran’ny asa sosialy dia manodidina ny efatra alina ireo lasa nanampy isa tsy fidiny ny tsy an’asa noho ny olana ara-politika izay mbola itadiavan’ireo mpifanandrina mivantana vahaolana any Afrika Atsimo ankehitriny. Niteraka disadisa teo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa ihany koa izany satria misy tamin’ireo tompona orinasa no nitsoaka. Saika tsy nahazo ny zony akory araka izany ny ankamaroan’ireo mpiasa an’aliny. Maro dia maro ny fitarainana voarain’ny minisiteran’ny asa sosialy etsy Ambohijatovo manoloana izany ary mbola mitohy hatramin’izao raha ny fanamarihan’ny minisitra Ramaroson Nadine. Hatramin’ny datin’ny 28 aprily 2010 dia mpiasa tamin’ireo 29 amin’ny 36 niato no nila vonjy teny Ambohijatovo. Nataon’ity departemanta ity laharampahamehana, araka izany, ny fandaminana ireo disadisa ireo tamin’ny alalan’ny fanerena ireo orinasa handoa ny zo sy tombontsoan’ny mpiasa. “Mpiasan’ny orinasa afaka haba 22.000 ankehitriny no efa nahazo izany zony izany rehefa niditra an-tsehatra ny minisitera.Voaloa avokoa ny tambin-karama amin’ny fandroahana, ny faravolan’ny mpiasa rehetra, ny fanoherana ny fampilazana fandroahana ary ny fetr’andro tsy iasana, hoy Ramaroson Nadine. Mbola misy mpiasa 9.000 kosa no mitsingevaheva ny momba azy hatramin’izao raha ny fanamarihan-dramatoa minisitra ihany. Anisan’izany ny mpiasa 300 eo anivon’ny JH Mada, ny orinasa k3 Appareil ary ny MIW. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT