Actualités

Mpiasan’ny ladoany Nanome 72ora ny FAT


  • Zoma 19 Novambra 2010

Taorian’ny fametrahana ilay sorabaventy fanairana nataon’ireo mpiasan’ny fadintseranana ao Toamasina ny alatsinainy sy talata lasa teo, dia nivoaka omaly maraina ny taratasy milaza mazava ny fitokonan’izy ireo, raha tsy misy fandraisana fepetra mikasika ny fitakian’izy ireo.

Raha ny fanazavana nataon’ireo mpiasan’ny fadintseranana niresaka tamin’ny mpanao gazety, dia mikasika ny fanalana amin’ny toerany ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny tale jeneralin’ny ladoany mbola miasa ao Toamasina, taorian’ny fanalana ny “receveur” farany teo, no takian’izy ireo. Voalaza moa fa miisa fito izy ireo no miasa eo anivon’ny fandintseranana ao Toamasina. Mitaky ny fialan’ny tale jeneralin’ny ladoany Malagasy koa ireto mpiasa ireto. Ankoatra ireo koa ny famerenana ny zon’ny mpiasa amin’ny fiarovana sy tombontsoa tokony ho azy ireo amin’ny asa ataony. Fantatra fa efa tamin’ny taona lasa 2009 ity fangatahana ity no nataon’ny mpiasa, ary efa niteraka fitokonana, 14 volana aty aoriana anefa dia tsy nisy valiny. Misy anefa ny gidragidra eo amin’ny “Transitaires” sy ny mpiasan’ny fadintseranana ireto ankehitriny, satria voalaza fa ireo peta-drindrina napetraky ny mpiasa dia endahin’ireo “Transitaires” ireo indray. Ny talata ho avy izao no hisy ny fitokonana faobe sy fanakatonana ny biraon’ny ladoany rehetra ao Toamasina, raha tsy misy ny famahana ny olana takian’ny mpiasa ao anatin’ny 72ora nomen’izy ireo ny fitondrana FAT efa nanome toky azy ireo 14 volana lasa izay. 

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT