Nanatanteraka fitokonana fanairana ireo mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly.
Antony dia noho ny fanomezana ireo parking vaovao eny amin’ny araben’ny fahaleovantena omena hotantanan’ny sehatra tsy miankina ka ny ampahan’ny vola azo sisa no hiditra amin’ny kaominina. Ilainay mazava tsara ny anton’izany, hoy ireo mpiasa nanao fitokonana omaly mba tsy haha tompon-trano mihono anay. Ny zava-misy anefa, hoy izy, ireo dia avy hatrany dia noraisina ny fanapahan-kevitra fa tsy nakana ny hevitray akory. Tonga nanao ny fanelanelanana teny an-toerana Rakotomaharo Tsinjo, filohan’ny sendikan’ny mpiasa. Nambarany tamin’izany fa hevitra tsy mitovy no iadiavana fa tsy resaka fanalana olona. Niafara tamin’ny fitakiana ny fanalana ny PDS Ny Hasina Andriamanjato mantsy ny hetsika omaly. Efa nisy moa omaly hariva ihany ny fihaonana teo amin’ny roa tonta koa andrasana izay mety ho tohin’izany.
Patty
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.