Hafanafana etsy Anosy anio. Hitokona ny mpiasan’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa na INSTAT manomboka anio.
Resaka karama tsy voaloa no fototry ny olana. Nisy dinika nifanaovan’ny Tale jeneralin’ny INSTAT sy ny solontenan’ny mpiasa omaly fa tsy nahavaha olana. Fanohanana ara-bola avy amin’ny fanjakana mitentina 450 tapitrisa Ariary andrasana hatramin’ity faran’ny volana ity no voaresaka saingy tsy mahavaha olana eo anatrehan’ny mpiasa. Ireo farany izay milaza fa tsy tokony hanana olana ara-bola ka tonga amin’izao krizy miseho izao ny INSTAT raha ny loharanom-bolany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.