Manatanteraka zaikabe etsy amin’ny live hotel Andavamamba nanomboka omaly ireo mpiasan’ny fananantany manerana ny Nosy.
Haharitra efatra andro izany ka anisan’ny imasoan’izy ireo ny fifanakalozana traikefa entina hampitoviana sy hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny politika nasionaly momba ny fananantany eto amintsika. Tsy latsa-danja amin’izany ny fijerena akaiky ny olana sedrain’izy ireo. Araka ny nambaran-dRasolomampionona Hasimpirenena, tale jeneralin’ny fananantany dia misedra olana izy ireo, indrindra fa amin’ny lafiny ara-pitaovana toy ny fiara. 39 isa monja mantsy ny sampandraharahan’ny fananany eto amintsika izay misahana olona an-tapitrisany manerana ny Nosy. Mila tohana sy fanampiana avokoa izy ireo toy ireo mangataka tanim-panjakana izay ilana fitsirihana eny ifotony mihitsy saingy tsy tontosa izany raha tsy misy fitaovana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.